
Tamin'ny farany herinandro teo de ny faha 8 ka hatramin'ny 10 Martsa teo dia tany Skien Telemark indray nisy zava-baovao tsara ho fantatra.
Fivoriambe izy ity. Nihaonan'ny tanora 50 eo ho eo nandinika ny fanatsarana sy fampandrosoana ny Fiangonana Norveziana dia ny Loterana Protestanta izany. Roa andro no niarahana nandinika ny loha hevitra efatra izay azo lazaina fa lehibe tokoa. Ireto avy izy ireo:
- Firaisan'ny mpino ao amin'ny fiangonana (Unité dans l'Eglise or Unity in the Church).
- Ny Endrika ny kristiana ivelany sy ao anatiny (Identité Chrétienne à l'interieur et à l'exterieur).
- Fifanatonan'ny lahy sy vavy amin'ny alalan'ny teknolojia vaovao ankehitriny Sexualisation dans les medias.
- Ahoana no ahafahana manampy ny Fiangonana amin'ny fanatsarana ny asany (comment pouvons nous aider les Eglises a ameliorer ses travaux, ses desirs)
Ungdomsting no iantsoana ilay fivoriambe fihaonan'ny tanora isan-taona, izay iezahan'ireo tanora maro ny hamoaka ny heviny momba ny asan'ny Fiangonana.
![]() |
| Ireo tanora mpandray anjara sy Mari Guttormsen mpitarika ny fivoriana |
Namokatra tsara ilay fivoriambe. Fa ny aho kosa aloha dia ny mahita ity zava-misy eto Norvezy ity dia tena gaga fa manjaka tokoa ny demokrasia hatrany am-piangonana fa tsy ny ny resaka politika ihany.
Enga anie ka mba handroso tsara ny ara-panahin'ireo Norveziana izay tena noana tokoa.
Mahafinaritra ihany koa ny mihaona amina olona vaovao izay tena tsotra no sady mora iresahana no afaka miteny Anglisy tsara ka mora fifankazahoana teo aminay. Betsaka tokoa ny ireo Kristiana no manohana ny fisian'ity fivoriana ity. Ary hitako fa tena ilaina tokoa izy ity no sady mampandroso. Izao no tena demokrasia tanteraka. Tsy ny olon-dehibe ihany no manan-kevitra fa na ny tanora koa dia manana my maha izy azy indrindra fa raha eto Norvezy no asian-teny.
![]() |
| Izy roa miralahy mpiara miasa amin'ny Fiangonana Lund Kristiansand |
![]() |
| Sabotsy 6 Martsa 2013, taorian'ny fisakafoanana antonadro izao |
![]() |
| Alahady faha 10 Martsa taorian'ny fotoam-pivavahana alahady maraina tao Gulset church |
Izao no mahatsara ny mandeha dia tena marina tokoa ilay fiteny hoe "mandehandeha mahita zavatra". Namana vaovao indray no nihaonana ary zava-baovao koa nisy tao amin'ilay Fiangonana ndray ny fivoriana. Niovan'ny tanora ho mavitribitrika avokoa ny hira rehetra mba hahazo fahafinaretana tsara amin'ny fiderana an'Andriamanitra ny rehetra na ny tanora na ny lehibe.
Amin'ny Fiangonana norveziana dia tsy voatery ho tsy maintsy Pastora ihany no afaka mampandray fa ny Kristiana izay voatendry hanao azy dia afaka manome ny tena amandran'i Jesosy Kristy efa voaomana. Tonga tao ny Eveka tamin'io alahady io dia voatendry ho mpanampy azy aho amin'ny fampandraisana ny Fanasan'ny Tompo. Somary hafahafa ihany aho nandritra ny fampandraisana fa ohatry ny tsy tompon'ny tena izay. Nanome ny divay anjarako. 'Ity ny no ràn'i Jesosy' "Dette er Jesus blu" amin'ny fiteny Norveziana.
![]() |
| Eo ankavia ireo tanora mitarika ny hira fiderana nadritra ny fotoam-pivavahana; eo ankavanana kosa ny fampandraisana ny Fansan'ny Tompo. |





No comments:
Post a Comment