Hafaliana lehibe ho ahy ny manoratra ny zava-misy eto Norvezy. Ilay firenena lehibe fa vitsy olona monina. Tsy mahagaga tokoa anefa izany satria hita fa mangatsiaka ilay toerana no sady efa mananika any Cercle polaire arktika farany andrefana amin'ny Skandinaviana. Iray amin.ny firenena manankarena indrindra eran-tany i Norvezy ary 5 tapitr'isa eo ho eo ny isany mponina izay tena mizarazara tokoa fa tsy miempona amina ttoerana na tanana iray.
Mizara efatra ny Sezona ao antin.ny iray taona: Ny fahataona na ny fahavaratra manomokoa ny volana jona ka mifarana ny volana Aogositra; ny Fararano izay manomboka ny volana Septambra hatramin'ny Novambra arahin'ny Ririnina Desambra ka hatramin' ny Martsa; ary ny farany kosa de Lohataona Aprily sy May.
Samy manana ny mampiavak'azy avokoa ireo vavin'andro ireo. Ary de tena samy hafa. Ohatra amin'izany de ny Fararano na ny Autumn: Mihena ny ranonorana ary miova manaraka izany koa ny lokon'ny ala na ny hazo ilaran'ny hatsiaka. hany ka lasa mavo avokoa ny tany rehetra. Araka izao hita amin'ny sary zao.
Skogtun Camping, malaza amin'ny lasy
Fa misy kosa anefa ireo hazo tsy matahotra hatsiaka de mijanona ho maitso lalandava izy.
Tsy ny natiora ihany no miova endrika fa hatramin'ny tanana aza de lasa maka ny loko mavo ny fijery azy. Anisan'izany ity tanana iray ity, izay tanandehibe faharoa eto Norvezy.
Bergen, Hordaland Norway
Voalohany no nahitako ny tany sy tanana tahaka izao teo amin'ny fianaiko.
Amin'ny maha toerana avaratra indrindra an'i Norvezy dia ny hatsiaka no
mandrafitra ny ririnina arahin'ny loko fotsy tanteraka antsoin'ny
amin'ny fiteny maha zatra hoe: *Winter Wonderland* Hagagana ny ahy
mahita ny tany rehetra tonga fotsy tahaka ny orampanala avokoa. Ary tena
fotsy izany. Ohatran'ny tsy ambonin'ny tany nahita izao zavatra misy
eto Norvezy izao. Na ny rano na ny tany, ny ala, ny ahitra, ny trano ary
ny lalana rehetra dia tonga fotsy avokoa. Ny laneza no mahatonga izany.
Desambra iray herin'andro mialoha ny Noely. Hafaliana tokoa izao fa mba mahita maso ilay mana fotsy tsy ritra avy any an-danitra. Akaikin'ny tranonay.
Walking in the winter wonderland, Norway.
Fotsy tanteraka ny ity toerana aty. Hovden, Desambra 2012
Søm, Kristiansand. January 2013
Marobe ny fialamboly sy fanatanjahantena fanao raha vao tonga ny laneza mandritra ny ririnina. Ao ny Ski sy Skating ary snowboard sombiny amin'ny atao ivelany trano ireo. Fa mbola betsaka ihany koa ny antranobe. Ity iray no ity no tena tiako indrindra dia ny manao ity Skate amin'ny rano mivaingana ity. Sarotra ny mitaingina azy ary tsy mora ny mamindra. Fa ny fahasahiana no teknika voalohany. Ranobe farihy matory no nilalaovana azy. Tena mafy raha ohatra ka mianjera dia toy ny miajera amin'ny vato. Fa ny fahafinaretana kosa aloha dia ampy tsara raha tena mahavoa azy tsara.
Tsiahivina fa betsaka ny lalao no mahavariana sy mahafinaritra ary mahasalama ny manao no manampy amin'ny fianarana zavatra maro samy hafa.
No comments:
Post a Comment