Thursday, March 21, 2013

Visiting Grøntoft

Ity no tantara iray izay tafantsika tsara ao andoha tokoa amin'izao fotoana izao dia ny famangiana ny fianakavian'ny Gull Grøntoft.
Iza moa i Gull Grøntoft? Izy vehivavy iray zanak'ingahy Borgenvik misionera tany Antsirabe sy Loharano ny taona 35 ka hatramin'ny 60 teo ho eo. Voasoratra ao amin'ny boky Ny Vavolombelona nosoratan'i Pastora iray niaina tamin'izany fotoana raha nanoratra ny tantaran'i Mama Nenilava izy. Teraka tany Madagasikara i Gull Borgenvik ary nianatra tao amin'ny sekoly Norveziana tao Lovasoa Antsiarabe. Nanova ny anaran'ny fianakaviana izy raha voampakatra ka i Grøntoft indray niantsoana azy.
Gull Grøntoft sy vadiny eo amin'ny ilany ankavanana

Mampiavaka azy ny fananany ireo tahiry mirakitra ny taloha izay tena mampahatsiahy ny fahiny tokoa.
Elektro tamin'ny taona 70  ihenoina ilay fotoam-pivavahana .
Anisan'izany ireo taratasy izay azony avy tamin'ny Mama Nenilava. Tsy izay ihany fa ao koa ireo hira Malagasy fahiny izay voatahiriny.

Manana fotoam-pivavahana alahady maraina feno tao ao amin'ny FLM Antsirabe antam-pontananana izy.

 Ary ny electro tamin'ny taona 70 no nampiasaina nihenoina azy araka ny hita eo amin'ny sary eo ambany izay tena mampahatsiahy ny fahinyy tokoa ny mijery azy sy ny fihenoina ilay fotoam-pivavahana Alahady marainan'ny Paska.

Efa manana zanaka amanjafy maro izy ary ny roa no hita eo amin'ny sary.
Tantara tokoa anie izao. Tsy hoadinoina anie hianreo

Miaraka amin'ny Fianakaviana Leidal indray ity.
Ary sakafo Malagasy no naroso anay tamin'io ka haravoana tsy misy tahak'izay no tao aminay fa efa ela manko tsy no tsy nihinanana ny sakafo malagasy fa ny norveziana fotsiny no no matetika. Finaritra ery izahay roa mirahalahy tamin'ity fotoana ity ka tsikitsiky lava no nameno ny fotoana rehetra.

Maniry dia maniry tokoa izahay ny mbola handalo amin'izy ireo indray raha azo atao izany fa tena fahatsiarovana an'i Madagasikara tanteraka no nanjaka tao amponay mirahalahy tamin'iny Alahady lasa teo iny ny alahady faha 17 Martsa izany.

Tuesday, March 19, 2013

Summary of the last weekend

Faly miarahaba indray o!! Ity tokoa no antsoina hoe fiainana. Ny faran'ny herin'andro teo dia zava-dehibe indray no nitranga teto Kristiansand. Ny Zoma faha 15 Martsa alina dia namonjy ny fotoam-bavaka tao Tinheia izahay amin'ny fiangonana iray izay ahitana ireo olona avy any Amerika atsimo izay monina eto Kristiansand Norvezy. Fotoananan'ny tanora tamin'io. Tao nahitanko indray ireo tanora izay tena mafana fo tokoa amin'ny fanompoana an'ny Tompo. Ary tsy mifanalavitra amin'ny Groupe d'Intercesseur any Madagsikara ny fomba fiasan'izy ireo. Hafaliana ny aho raha nahita ny fandehan'ny zava-nisy rehtra fa mbola notsarovan'Ilay Tompoko indray aho ka tsy nafeniny ahy ny fisian' ny olona izay manana ny hafanam-po tahaka ny ireo rahalahy sy anabavy anay an-tanana. Ary hita taratra amin'ny fomban'izy ireo izany hafanam-po miredareda ao am-pon'izy ireo izany.
Tonga tao avokoa ireo namana rehetra avy eto Kristiansand dia mpianatra namana izany. Ny maha izy azy ny finoana kristianina no lohahevitra nivoaboasana tao tamin'izany.

Southern, truth friendship
Tamin'ny Sabotsy faha 16 Martsa kosa dia ity no tena fahafinaretana niaraka tamin'ireo namana andeha nilalao ski. Gaga avokoa ny norvezianina nahita anay efatra mirahalahy avy Madagasikara sy Peru ary Tanzania fa tsy misy Norvezianina miaraka aminay na dia iray akory aza fa tena vahiny avokoa izahay rehetra.
Ary tena hita tokoa fa tsy tompontany izahay satria betsaka loatra ny lanezy ka tsy dia tena tsara ny andehanana amina Ski. Nahafinaritra anefa ilay izy na dia izany aza satria maika nahatsara azy ny fahabetsahan'ny lanezy na dia nandreraka kely ihany aza izy.
Ary ilay namana avy any Peru moa dia mbola tsy nanao azy aty taloha ka tamin'ny sabotsy izao no voalohany ho azy ny hitsangana amina Ski. Ka tena mampihomehy tokoa ny mahita mianatra mandeha tahaka ny zazakely mianatra mandeha. Mamindra idray dia mianjera. Ary efa-polo santimetatra no haavon'ilay lanezy tamin'izay andro izay. Fanampin'izany dia mando ihany koa ilay lanezy  ka raha mianjera dia tena mangatsiaka tokoa satria latsaka iray degre ny mari-pana.
 Frank Almeyldailay namana avy Peru nianjera tamina lanezy
niala sasatra kely, Gimlekollen
Izao ohatra ilay Peroviana izay nianjera. Tena safotry lanezy izy nohon'ny habetsahany. Fa fomba Norveziana koa ny mitondra zavatra atao sakafo sy rano mafana mba ahazoana hery fa tena mafy ny hatsiaka.
Namonjy konseritra izahay taorian'ity fotoana nahitana nahafinaritra be ity tany Tveit.

Monday, March 11, 2013

Ungdomsting 2013



Tamin'ny farany herinandro teo de ny faha 8 ka hatramin'ny 10 Martsa teo dia tany Skien Telemark indray nisy zava-baovao tsara ho fantatra.
Fivoriambe izy ity. Nihaonan'ny tanora 50 eo ho eo nandinika ny fanatsarana sy fampandrosoana ny Fiangonana Norveziana dia ny Loterana Protestanta izany. Roa andro no niarahana nandinika ny loha hevitra efatra izay azo lazaina fa lehibe tokoa. Ireto avy izy ireo: 

  • Firaisan'ny mpino ao amin'ny fiangonana (Unité dans l'Eglise or Unity in the Church). 
  • Ny Endrika ny kristiana ivelany sy ao anatiny (Identité Chrétienne à l'interieur et à l'exterieur). 
  • Fifanatonan'ny lahy sy vavy amin'ny alalan'ny teknolojia vaovao ankehitriny Sexualisation dans les medias. 
  • Ahoana no ahafahana manampy ny Fiangonana amin'ny fanatsarana ny asany (comment pouvons nous aider les Eglises a ameliorer ses travaux, ses desirs)

Ungdomsting no iantsoana ilay fivoriambe fihaonan'ny tanora isan-taona, izay iezahan'ireo tanora maro ny hamoaka ny heviny momba ny asan'ny Fiangonana. 
Ireo tanora mpandray anjara sy Mari Guttormsen mpitarika ny fivoriana
Namokatra tsara ilay fivoriambe. Fa ny aho kosa aloha dia ny mahita ity zava-misy eto Norvezy ity dia tena gaga fa manjaka tokoa ny demokrasia hatrany am-piangonana fa tsy ny ny resaka politika ihany. 
Enga anie ka mba handroso tsara ny ara-panahin'ireo Norveziana izay tena noana tokoa.
Mahafinaritra ihany koa ny mihaona amina olona vaovao izay tena tsotra no sady mora iresahana no afaka miteny Anglisy tsara ka mora fifankazahoana teo aminay. Betsaka tokoa ny ireo Kristiana no manohana ny fisian'ity fivoriana ity. Ary hitako fa tena ilaina tokoa izy ity no sady mampandroso. Izao no tena demokrasia tanteraka. Tsy ny olon-dehibe ihany no manan-kevitra fa na ny tanora koa dia manana my maha izy azy indrindra fa raha eto Norvezy no asian-teny.

Izy roa miralahy mpiara miasa amin'ny Fiangonana Lund Kristiansand

Sabotsy 6 Martsa 2013, taorian'ny fisakafoanana antonadro izao
Alahady faha 10 Martsa taorian'ny fotoam-pivavahana alahady maraina tao Gulset church


Izao no mahatsara ny mandeha dia tena marina tokoa ilay fiteny hoe "mandehandeha mahita zavatra". Namana vaovao indray no nihaonana ary zava-baovao koa nisy tao amin'ilay Fiangonana ndray ny fivoriana. Niovan'ny tanora ho mavitribitrika avokoa ny hira rehetra mba hahazo fahafinaretana tsara amin'ny fiderana an'Andriamanitra ny rehetra na ny tanora na ny lehibe.












Amin'ny Fiangonana norveziana dia tsy voatery ho tsy maintsy Pastora ihany no afaka mampandray fa ny Kristiana izay voatendry hanao azy dia afaka manome ny tena amandran'i Jesosy Kristy efa voaomana. Tonga tao ny Eveka tamin'io alahady io dia voatendry ho mpanampy azy aho amin'ny fampandraisana ny Fanasan'ny Tompo. Somary hafahafa ihany aho nandritra ny fampandraisana fa ohatry ny tsy tompon'ny tena izay. Nanome ny divay anjarako. 'Ity ny no ràn'i Jesosy' "Dette er Jesus blu" amin'ny fiteny Norveziana. 
Eo ankavia ireo tanora mitarika ny hira fiderana nadritra ny fotoam-pivavahana; eo ankavanana kosa  ny fampandraisana ny Fansan'ny Tompo.


Zavatra iray no tena tsy ho adiniko dia ny nampandraisako ilay Eveka. Izao angamba no santatry ny zavatra hitranga any aoriana? Iza no mahalala? Ho an'Andriamanitra irery ihany anie Voninahitra!