Tuesday, March 19, 2013

Summary of the last weekend

Faly miarahaba indray o!! Ity tokoa no antsoina hoe fiainana. Ny faran'ny herin'andro teo dia zava-dehibe indray no nitranga teto Kristiansand. Ny Zoma faha 15 Martsa alina dia namonjy ny fotoam-bavaka tao Tinheia izahay amin'ny fiangonana iray izay ahitana ireo olona avy any Amerika atsimo izay monina eto Kristiansand Norvezy. Fotoananan'ny tanora tamin'io. Tao nahitanko indray ireo tanora izay tena mafana fo tokoa amin'ny fanompoana an'ny Tompo. Ary tsy mifanalavitra amin'ny Groupe d'Intercesseur any Madagsikara ny fomba fiasan'izy ireo. Hafaliana ny aho raha nahita ny fandehan'ny zava-nisy rehtra fa mbola notsarovan'Ilay Tompoko indray aho ka tsy nafeniny ahy ny fisian' ny olona izay manana ny hafanam-po tahaka ny ireo rahalahy sy anabavy anay an-tanana. Ary hita taratra amin'ny fomban'izy ireo izany hafanam-po miredareda ao am-pon'izy ireo izany.
Tonga tao avokoa ireo namana rehetra avy eto Kristiansand dia mpianatra namana izany. Ny maha izy azy ny finoana kristianina no lohahevitra nivoaboasana tao tamin'izany.

Southern, truth friendship
Tamin'ny Sabotsy faha 16 Martsa kosa dia ity no tena fahafinaretana niaraka tamin'ireo namana andeha nilalao ski. Gaga avokoa ny norvezianina nahita anay efatra mirahalahy avy Madagasikara sy Peru ary Tanzania fa tsy misy Norvezianina miaraka aminay na dia iray akory aza fa tena vahiny avokoa izahay rehetra.
Ary tena hita tokoa fa tsy tompontany izahay satria betsaka loatra ny lanezy ka tsy dia tena tsara ny andehanana amina Ski. Nahafinaritra anefa ilay izy na dia izany aza satria maika nahatsara azy ny fahabetsahan'ny lanezy na dia nandreraka kely ihany aza izy.
Ary ilay namana avy any Peru moa dia mbola tsy nanao azy aty taloha ka tamin'ny sabotsy izao no voalohany ho azy ny hitsangana amina Ski. Ka tena mampihomehy tokoa ny mahita mianatra mandeha tahaka ny zazakely mianatra mandeha. Mamindra idray dia mianjera. Ary efa-polo santimetatra no haavon'ilay lanezy tamin'izay andro izay. Fanampin'izany dia mando ihany koa ilay lanezy  ka raha mianjera dia tena mangatsiaka tokoa satria latsaka iray degre ny mari-pana.
 Frank Almeyldailay namana avy Peru nianjera tamina lanezy
niala sasatra kely, Gimlekollen
Izao ohatra ilay Peroviana izay nianjera. Tena safotry lanezy izy nohon'ny habetsahany. Fa fomba Norveziana koa ny mitondra zavatra atao sakafo sy rano mafana mba ahazoana hery fa tena mafy ny hatsiaka.
Namonjy konseritra izahay taorian'ity fotoana nahitana nahafinaritra be ity tany Tveit.

No comments:

Post a Comment