Saturday, August 10, 2013

Hald year is finished

There is the time. Hald year is finished. Everyone is safe at home apart from the one who writes.  The Hald year is unbelievable to be as it was. Tears were falling during the time to say good bye.  And that means that there are impacts and interacts with each other towards the ethnicity differences, backgrounds and multicultural, views and perspectives.

This year was the most valued year that I have gone through when it comes to scholar year. Full of joys and fun surrounded by amazing people from all over this world. The classes are of course valued in such uncountable ways. Now, I recognize that Hald is the school helps you to make a difference of the world in justice in a big or small way; makes you grow personaly in such differentsperspectives that may affects your own life. Of course your faith and friendship are included. In general all of the times, the minutes that i spent at Hald were joyable and peaceful. I appreciate alot the teachers or the staff; the volunteers and also the students. It has been a great year which is impossible to be forgotten. 
The last day at Hald was the greatest time during the year. The teachers are awesome, they shew their happyness and joy during the graduation party. 
The song *we are the world* written by Michael Jackson was set up and sang in front of many hundred people. This is a sign or a mark that for all of the students from all over the world at Hald. Yes, We are the children who can make the world in a better place so that we may have a better life. You can view the video from this link We are the world by Hald Connect students 2013

Thursday, March 21, 2013

Visiting Grøntoft

Ity no tantara iray izay tafantsika tsara ao andoha tokoa amin'izao fotoana izao dia ny famangiana ny fianakavian'ny Gull Grøntoft.
Iza moa i Gull Grøntoft? Izy vehivavy iray zanak'ingahy Borgenvik misionera tany Antsirabe sy Loharano ny taona 35 ka hatramin'ny 60 teo ho eo. Voasoratra ao amin'ny boky Ny Vavolombelona nosoratan'i Pastora iray niaina tamin'izany fotoana raha nanoratra ny tantaran'i Mama Nenilava izy. Teraka tany Madagasikara i Gull Borgenvik ary nianatra tao amin'ny sekoly Norveziana tao Lovasoa Antsiarabe. Nanova ny anaran'ny fianakaviana izy raha voampakatra ka i Grøntoft indray niantsoana azy.
Gull Grøntoft sy vadiny eo amin'ny ilany ankavanana

Mampiavaka azy ny fananany ireo tahiry mirakitra ny taloha izay tena mampahatsiahy ny fahiny tokoa.
Elektro tamin'ny taona 70  ihenoina ilay fotoam-pivavahana .
Anisan'izany ireo taratasy izay azony avy tamin'ny Mama Nenilava. Tsy izay ihany fa ao koa ireo hira Malagasy fahiny izay voatahiriny.

Manana fotoam-pivavahana alahady maraina feno tao ao amin'ny FLM Antsirabe antam-pontananana izy.

 Ary ny electro tamin'ny taona 70 no nampiasaina nihenoina azy araka ny hita eo amin'ny sary eo ambany izay tena mampahatsiahy ny fahinyy tokoa ny mijery azy sy ny fihenoina ilay fotoam-pivavahana Alahady marainan'ny Paska.

Efa manana zanaka amanjafy maro izy ary ny roa no hita eo amin'ny sary.
Tantara tokoa anie izao. Tsy hoadinoina anie hianreo

Miaraka amin'ny Fianakaviana Leidal indray ity.
Ary sakafo Malagasy no naroso anay tamin'io ka haravoana tsy misy tahak'izay no tao aminay fa efa ela manko tsy no tsy nihinanana ny sakafo malagasy fa ny norveziana fotsiny no no matetika. Finaritra ery izahay roa mirahalahy tamin'ity fotoana ity ka tsikitsiky lava no nameno ny fotoana rehetra.

Maniry dia maniry tokoa izahay ny mbola handalo amin'izy ireo indray raha azo atao izany fa tena fahatsiarovana an'i Madagasikara tanteraka no nanjaka tao amponay mirahalahy tamin'iny Alahady lasa teo iny ny alahady faha 17 Martsa izany.

Tuesday, March 19, 2013

Summary of the last weekend

Faly miarahaba indray o!! Ity tokoa no antsoina hoe fiainana. Ny faran'ny herin'andro teo dia zava-dehibe indray no nitranga teto Kristiansand. Ny Zoma faha 15 Martsa alina dia namonjy ny fotoam-bavaka tao Tinheia izahay amin'ny fiangonana iray izay ahitana ireo olona avy any Amerika atsimo izay monina eto Kristiansand Norvezy. Fotoananan'ny tanora tamin'io. Tao nahitanko indray ireo tanora izay tena mafana fo tokoa amin'ny fanompoana an'ny Tompo. Ary tsy mifanalavitra amin'ny Groupe d'Intercesseur any Madagsikara ny fomba fiasan'izy ireo. Hafaliana ny aho raha nahita ny fandehan'ny zava-nisy rehtra fa mbola notsarovan'Ilay Tompoko indray aho ka tsy nafeniny ahy ny fisian' ny olona izay manana ny hafanam-po tahaka ny ireo rahalahy sy anabavy anay an-tanana. Ary hita taratra amin'ny fomban'izy ireo izany hafanam-po miredareda ao am-pon'izy ireo izany.
Tonga tao avokoa ireo namana rehetra avy eto Kristiansand dia mpianatra namana izany. Ny maha izy azy ny finoana kristianina no lohahevitra nivoaboasana tao tamin'izany.

Southern, truth friendship
Tamin'ny Sabotsy faha 16 Martsa kosa dia ity no tena fahafinaretana niaraka tamin'ireo namana andeha nilalao ski. Gaga avokoa ny norvezianina nahita anay efatra mirahalahy avy Madagasikara sy Peru ary Tanzania fa tsy misy Norvezianina miaraka aminay na dia iray akory aza fa tena vahiny avokoa izahay rehetra.
Ary tena hita tokoa fa tsy tompontany izahay satria betsaka loatra ny lanezy ka tsy dia tena tsara ny andehanana amina Ski. Nahafinaritra anefa ilay izy na dia izany aza satria maika nahatsara azy ny fahabetsahan'ny lanezy na dia nandreraka kely ihany aza izy.
Ary ilay namana avy any Peru moa dia mbola tsy nanao azy aty taloha ka tamin'ny sabotsy izao no voalohany ho azy ny hitsangana amina Ski. Ka tena mampihomehy tokoa ny mahita mianatra mandeha tahaka ny zazakely mianatra mandeha. Mamindra idray dia mianjera. Ary efa-polo santimetatra no haavon'ilay lanezy tamin'izay andro izay. Fanampin'izany dia mando ihany koa ilay lanezy  ka raha mianjera dia tena mangatsiaka tokoa satria latsaka iray degre ny mari-pana.
 Frank Almeyldailay namana avy Peru nianjera tamina lanezy
niala sasatra kely, Gimlekollen
Izao ohatra ilay Peroviana izay nianjera. Tena safotry lanezy izy nohon'ny habetsahany. Fa fomba Norveziana koa ny mitondra zavatra atao sakafo sy rano mafana mba ahazoana hery fa tena mafy ny hatsiaka.
Namonjy konseritra izahay taorian'ity fotoana nahitana nahafinaritra be ity tany Tveit.

Monday, March 11, 2013

Ungdomsting 2013



Tamin'ny farany herinandro teo de ny faha 8 ka hatramin'ny 10 Martsa teo dia tany Skien Telemark indray nisy zava-baovao tsara ho fantatra.
Fivoriambe izy ity. Nihaonan'ny tanora 50 eo ho eo nandinika ny fanatsarana sy fampandrosoana ny Fiangonana Norveziana dia ny Loterana Protestanta izany. Roa andro no niarahana nandinika ny loha hevitra efatra izay azo lazaina fa lehibe tokoa. Ireto avy izy ireo: 

  • Firaisan'ny mpino ao amin'ny fiangonana (Unité dans l'Eglise or Unity in the Church). 
  • Ny Endrika ny kristiana ivelany sy ao anatiny (Identité Chrétienne à l'interieur et à l'exterieur). 
  • Fifanatonan'ny lahy sy vavy amin'ny alalan'ny teknolojia vaovao ankehitriny Sexualisation dans les medias. 
  • Ahoana no ahafahana manampy ny Fiangonana amin'ny fanatsarana ny asany (comment pouvons nous aider les Eglises a ameliorer ses travaux, ses desirs)

Ungdomsting no iantsoana ilay fivoriambe fihaonan'ny tanora isan-taona, izay iezahan'ireo tanora maro ny hamoaka ny heviny momba ny asan'ny Fiangonana. 
Ireo tanora mpandray anjara sy Mari Guttormsen mpitarika ny fivoriana
Namokatra tsara ilay fivoriambe. Fa ny aho kosa aloha dia ny mahita ity zava-misy eto Norvezy ity dia tena gaga fa manjaka tokoa ny demokrasia hatrany am-piangonana fa tsy ny ny resaka politika ihany. 
Enga anie ka mba handroso tsara ny ara-panahin'ireo Norveziana izay tena noana tokoa.
Mahafinaritra ihany koa ny mihaona amina olona vaovao izay tena tsotra no sady mora iresahana no afaka miteny Anglisy tsara ka mora fifankazahoana teo aminay. Betsaka tokoa ny ireo Kristiana no manohana ny fisian'ity fivoriana ity. Ary hitako fa tena ilaina tokoa izy ity no sady mampandroso. Izao no tena demokrasia tanteraka. Tsy ny olon-dehibe ihany no manan-kevitra fa na ny tanora koa dia manana my maha izy azy indrindra fa raha eto Norvezy no asian-teny.

Izy roa miralahy mpiara miasa amin'ny Fiangonana Lund Kristiansand

Sabotsy 6 Martsa 2013, taorian'ny fisakafoanana antonadro izao
Alahady faha 10 Martsa taorian'ny fotoam-pivavahana alahady maraina tao Gulset church


Izao no mahatsara ny mandeha dia tena marina tokoa ilay fiteny hoe "mandehandeha mahita zavatra". Namana vaovao indray no nihaonana ary zava-baovao koa nisy tao amin'ilay Fiangonana ndray ny fivoriana. Niovan'ny tanora ho mavitribitrika avokoa ny hira rehetra mba hahazo fahafinaretana tsara amin'ny fiderana an'Andriamanitra ny rehetra na ny tanora na ny lehibe.












Amin'ny Fiangonana norveziana dia tsy voatery ho tsy maintsy Pastora ihany no afaka mampandray fa ny Kristiana izay voatendry hanao azy dia afaka manome ny tena amandran'i Jesosy Kristy efa voaomana. Tonga tao ny Eveka tamin'io alahady io dia voatendry ho mpanampy azy aho amin'ny fampandraisana ny Fanasan'ny Tompo. Somary hafahafa ihany aho nandritra ny fampandraisana fa ohatry ny tsy tompon'ny tena izay. Nanome ny divay anjarako. 'Ity ny no ràn'i Jesosy' "Dette er Jesus blu" amin'ny fiteny Norveziana. 
Eo ankavia ireo tanora mitarika ny hira fiderana nadritra ny fotoam-pivavahana; eo ankavanana kosa  ny fampandraisana ny Fansan'ny Tompo.


Zavatra iray no tena tsy ho adiniko dia ny nampandraisako ilay Eveka. Izao angamba no santatry ny zavatra hitranga any aoriana? Iza no mahalala? Ho an'Andriamanitra irery ihany anie Voninahitra!

Tuesday, February 26, 2013

Norvezy sy Ririnina


Hafaliana lehibe ho ahy ny manoratra ny zava-misy eto Norvezy. Ilay firenena lehibe fa vitsy olona monina. Tsy mahagaga tokoa anefa izany satria hita fa mangatsiaka ilay toerana no sady efa mananika any Cercle polaire arktika farany andrefana amin'ny Skandinaviana. Iray amin.ny firenena manankarena indrindra eran-tany i Norvezy ary 5 tapitr'isa eo ho eo ny isany mponina izay tena mizarazara tokoa fa tsy miempona amina ttoerana na tanana iray.

Mizara efatra ny Sezona ao antin.ny iray taona: Ny fahataona na ny fahavaratra manomokoa ny volana jona ka mifarana ny volana Aogositra; ny Fararano izay manomboka ny volana Septambra hatramin'ny Novambra arahin'ny Ririnina Desambra ka hatramin' ny Martsa; ary ny farany kosa de Lohataona Aprily sy May.

Samy manana ny mampiavak'azy avokoa ireo vavin'andro ireo. Ary de tena samy hafa. Ohatra amin'izany de ny Fararano na ny Autumn: Mihena ny ranonorana ary miova manaraka izany koa ny lokon'ny ala na ny hazo ilaran'ny hatsiaka. hany ka lasa mavo avokoa  ny tany rehetra. Araka izao hita amin'ny sary zao.

Skogtun Camping, malaza amin'ny lasy 
Fa misy kosa anefa ireo hazo tsy matahotra hatsiaka de mijanona ho maitso lalandava izy.
Tsy ny natiora ihany no miova endrika fa hatramin'ny tanana aza de lasa maka ny loko mavo ny fijery azy. Anisan'izany ity tanana iray ity, izay tanandehibe faharoa eto Norvezy.

Bergen, Hordaland Norway
Voalohany no nahitako ny tany sy tanana tahaka izao teo amin'ny fianaiko.

 Amin'ny maha toerana avaratra indrindra an'i Norvezy dia ny hatsiaka no mandrafitra ny ririnina arahin'ny loko fotsy tanteraka antsoin'ny amin'ny fiteny maha zatra hoe: *Winter Wonderland* Hagagana ny ahy mahita ny tany rehetra tonga fotsy tahaka ny orampanala avokoa. Ary tena fotsy izany. Ohatran'ny tsy ambonin'ny tany nahita izao zavatra misy eto Norvezy izao. Na ny rano na ny tany, ny ala, ny ahitra, ny trano ary ny lalana rehetra dia tonga fotsy avokoa. Ny laneza no mahatonga izany.
Desambra iray herin'andro mialoha ny Noely. Hafaliana tokoa izao fa mba mahita maso ilay mana fotsy tsy ritra avy any an-danitra. Akaikin'ny tranonay.

Walking in the winter wonderland, Norway.

Fotsy tanteraka ny ity toerana aty. Hovden, Desambra 2012

Søm, Kristiansand. January 2013

Marobe ny fialamboly sy fanatanjahantena fanao raha vao tonga ny laneza  mandritra ny ririnina. Ao ny Ski sy Skating ary snowboard sombiny amin'ny atao ivelany trano ireo. Fa mbola betsaka ihany koa ny antranobe. Ity iray no ity no tena tiako indrindra dia ny manao ity Skate amin'ny rano mivaingana ity. Sarotra ny mitaingina azy ary tsy mora ny mamindra. Fa ny fahasahiana no teknika voalohany. Ranobe farihy matory no nilalaovana azy. Tena mafy raha ohatra ka mianjera dia toy ny miajera amin'ny vato. Fa ny fahafinaretana kosa aloha dia ampy tsara raha tena mahavoa azy tsara.


Tsiahivina fa betsaka ny lalao no mahavariana sy mahafinaritra ary mahasalama ny manao no manampy amin'ny fianarana zavatra maro samy hafa.

Tuesday, October 16, 2012

Welcome to Nelson, blogg!!

Nelson Ndrozara
Hald Interansjonale Senter
Hello! My name is Ndrozara Sely Nelsonne. I am from Fenoarivo Antsinanana, Toamasina Madgascar. I live in Kristiansand Norway since 28th of setember. But I came in Norway in13th of August 2012. I go to Hald Internasjonale Senter in Mandal, for Connect Program with NMS. [picture]. Already two months past that I live in norway. The life is so strange. Although, we had a lot of fun, whithout conflits or confusing with many young people from all around the world who have differents countries, cultures, customs and staff  who have different point of view.
Hald Students 2012-2013
It's so amazing.
Why was it possible?Nowadays we separated for precise time to meet a new life  for learning  and progressing or developping for everything. Hald, It is one of the best Boarding School in norway.








For the Life is learning, We should think about that everyday. Although, I am just 19 years old, I live in a land which I have never known before.
The two boys from Madagscar
Many things I do not know and not few also the diversity if I compare on my home country. It is not just people, even the days are differents, especially food and culture&customs. Most of time, I feel tired and I just want to sleep.
So I find that I have a Culture shock allready.That's not astonished because, it is the first time that I leave my land. But thanks to God to give me and my teammate a nice family to live, and very experienced about living in abroad.
Fenoarivo Anstinanana, Toamasina, Madagascar. My home town

My new home at Søm area i Kristiansand