Thursday, March 21, 2013

Visiting Grøntoft

Ity no tantara iray izay tafantsika tsara ao andoha tokoa amin'izao fotoana izao dia ny famangiana ny fianakavian'ny Gull Grøntoft.
Iza moa i Gull Grøntoft? Izy vehivavy iray zanak'ingahy Borgenvik misionera tany Antsirabe sy Loharano ny taona 35 ka hatramin'ny 60 teo ho eo. Voasoratra ao amin'ny boky Ny Vavolombelona nosoratan'i Pastora iray niaina tamin'izany fotoana raha nanoratra ny tantaran'i Mama Nenilava izy. Teraka tany Madagasikara i Gull Borgenvik ary nianatra tao amin'ny sekoly Norveziana tao Lovasoa Antsiarabe. Nanova ny anaran'ny fianakaviana izy raha voampakatra ka i Grøntoft indray niantsoana azy.
Gull Grøntoft sy vadiny eo amin'ny ilany ankavanana

Mampiavaka azy ny fananany ireo tahiry mirakitra ny taloha izay tena mampahatsiahy ny fahiny tokoa.
Elektro tamin'ny taona 70  ihenoina ilay fotoam-pivavahana .
Anisan'izany ireo taratasy izay azony avy tamin'ny Mama Nenilava. Tsy izay ihany fa ao koa ireo hira Malagasy fahiny izay voatahiriny.

Manana fotoam-pivavahana alahady maraina feno tao ao amin'ny FLM Antsirabe antam-pontananana izy.

 Ary ny electro tamin'ny taona 70 no nampiasaina nihenoina azy araka ny hita eo amin'ny sary eo ambany izay tena mampahatsiahy ny fahinyy tokoa ny mijery azy sy ny fihenoina ilay fotoam-pivavahana Alahady marainan'ny Paska.

Efa manana zanaka amanjafy maro izy ary ny roa no hita eo amin'ny sary.
Tantara tokoa anie izao. Tsy hoadinoina anie hianreo

Miaraka amin'ny Fianakaviana Leidal indray ity.
Ary sakafo Malagasy no naroso anay tamin'io ka haravoana tsy misy tahak'izay no tao aminay fa efa ela manko tsy no tsy nihinanana ny sakafo malagasy fa ny norveziana fotsiny no no matetika. Finaritra ery izahay roa mirahalahy tamin'ity fotoana ity ka tsikitsiky lava no nameno ny fotoana rehetra.

Maniry dia maniry tokoa izahay ny mbola handalo amin'izy ireo indray raha azo atao izany fa tena fahatsiarovana an'i Madagasikara tanteraka no nanjaka tao amponay mirahalahy tamin'iny Alahady lasa teo iny ny alahady faha 17 Martsa izany.

No comments:

Post a Comment